Hipôlito (mpanoratra)

I Hipôlito na Hipôlito avy any Rôma, araka ny lovantsofin'ny fiangonana, dia manampahaizana amin' ny famakafakana ny Baiboly sy teôlôjiana, antipapa izy tamin' ny taona 217 hatramin' ny 235, maty maritiora tao Sardinia[1] izy fony nanapaka ny emperora Maksimino I Traka (latina: Caius Julius Verus Maximinus Thrax). Izy ihany no antipapa omen' ny Fiangonana voninahitra.

Sarivongana angamba maneho an' i Hipôlito, hita tamin' ny taona 1551 tao amin' ny Via Tiburtina ao Rôma, Tranomboky apôstôlika vatikanina.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Sardinia: Sardagne amin' ny teny frantsay, Sardegna amin' ny teny italiana, Sardinia amin' ny teny anglisy, Sardinia amin' ny teny latina.