Faritra Baltika
(tonga teto avy amin'ny Eorôpa Avaratra Atsinanana)
Ny Faritra Baltika na Firenena Baltika na Firenena Balta dia fitambarana firenena maro amin' ny faritra manodidina ny Ranomasina Baltika.
HevinyHanova
Arakaraka ny zavatra resahina manodidina ny andian-teny hoe "Faritra Baltika" no ahafaha-mahafantara ny heviny, ka mety ho:
- ireo firenena izay manana morontsiraka manamorona ny Ranomasina Baltika, dia i Danemarka, i Estônia, i Letônia, i Finlandy, i Alemaina, i Litoania, i Pôlônia, i Rosia ary i Soeda;
- ireo firenena antsoina ankehitriny hoe "Firenena Balta" na "Firenena Baltika", dia i Estônia, i Letônia, i Litoania, ary indraindray ny Ôblastan' i Kaliningrad (any Rosia);
- i Prosia Atsinanana ara-tantara sy ireo tany ara-tantaran' i Lovônia, i Courland, i Estônia (Estônia soedoà sy Estônia rosiana);
- ny faritany baltan' ny Empira Rosiana: i Estônia sy i Letônia ary i Litoania amin' izao fotoana izao, afa-tsy ny faritra alemàna manodidina an' i Memel.