Efaho (ony)
Efaho na Fanjahira taloha[1] dia ony lehibe any amin' ny Disrikan' i Tolagnaro any amin' ny Faritra Anosy, izay manondraka ny lemaka amoron-tsiraka manontolo amin' ny faritra akaikin' i Tolagnaro mandra-pahatongany any amin' ny riakasian' Ambinanibe na Andriambe, izay manary ny ranony any amin' ny Ranomasimbe Indiana. Tombanana ho 1 036 800 m3/ora[2] na 11,8 m3/segondra[1] isan' andro ny fitosaky ny ranon' Efaho. Eo amin' ny faritanin' io ony io (195 km2 ao Fanjahira) no nipoiran' ny tarana-mpanjaka Zafiraminia[1]. Nanomboka tamin'ny taona 2023 ny fanatanterahana ny tetikasa famlatsiana an' Androy amin' ny ranon' Efaho[2].
Famatsian-drano an' Androy
hanovaAmpy hahatanteraka ny tetikasa famatsiana rano fisotro ny 10 % amin' ny ranon' Efaho. Azo ampiasaina hanondrahana ny tany fambolena ny ambiny[3]. Rano fisotro ho an' ny olona 460 000 any amin' ny distrika telo (Tolagnaro sy Amboasary Atsimo ary Ambovombe). Mirefy 97 km manomboka eo Esalo zay misy ny an' Efaho ka hatrany Ambovombe izany fantsona izany. Mitentina 322 560 600 000 Ariary ny vola havatsin' ny fanjakana ilay tetikasa[2]. Hahazo tombontsoa amin' izany ny mponina ao amin' ny tanàna enimpolo amin' ireo distrika telo voalaza etsy ambony ireo[2]. Ny rano avy ao amin' ny reniranon' Efaho ihany koa dia kasaina hanondrahana tany fambolena mirefy 80 000 ha any amin' ny lemak' i Sampona sy i Maroalopoty ary i Maroalomainty. Rano 12 600 m2 isan' andro no hikoriana ao anaty fantsona[2].
Loharano sy fanamarihana
hanova- ↑ 1,0 1,1 et 1,2 "Efaho", in Petite encyclopédie du Grand Sud de Madadascar.
- ↑ 2,0 2,1 2,2 2,3 et 2,4 "Construction d'un pipeline à Efaho - L’État met le paquet dans le Sud", lexpress.mg, 24 avril 2023
- ↑ "Projet de « Pipeline Efaho »: les travaux de construction démarrent", newsmada.com, 14 novembre 2023