Dominique de Guzmán

I Dominique de Guzmán dia moanina sy pretra katôlika kastilana, mpanorina ny Fikambanan' ny Rahalahy Mpitory Teny antsoina matetika hoe "Dôminikanina". Teraka tamin' ny taona 1170 tany Caleruega any Espaina izy ary maty tamin' ny 6 Aogositra 1221 tao Bologna any Italia. Nampabaran' ny Eglizy amin' ny fomba ôfisialy ny maha olo-masina azy tamin' ny taona 1234 ary ankalazaina amin' ny anarana hoe Md Dominique izy. Amin' ny teny espaniôla izy dia atao hoe Santo Domingo.

Sary hosodoko maneho an' i Md Dominique, sary nataon' i Fra Angelico

Izy no olo-masina mpiaro ny astrônôma sy ny mpahay siansan' ny zavaboary, ary izy sy ny fikambanany dia fantatra amin' ny fampielezany sy fampahafantarana ny rôzery.

Satria tamin' ny 6 Aogositra, fetin' ny Fiovan-tarehy, ny "fahaterahany tany an-danitra", dia nafindra imbetsaka ny fahatsiarovana azy araka ny litorjia ary ankalazaina isaky ny 8 Aogositra ankehitriny.

Jereo koa

hanova