Dite (zava-pisotro)

(tonga teto avy amin'ny Dite (zavapisotro))

Ny dite dia zava-pisotro manitra omanina amin' ny alalan' ny fitanehana ny raviny maina avy amin' ny zavamaniry dite, izay karazan-kazo madinika manana ravina maharitra manadavan-taona maitso avy any amin' ny ilany atsinanan' ny Himalaya (Assam, Yunnan, tapany avaratr' i Mianmara ary Tailandy).

Dite maitso

Ity zava-pisotro misy rano ity dia azo avy amin' ny ravina nohamainina misy ambaratonga samihafa amin' ny fisian' ny ôksida sy ny fanantsasahana azy izay mamaritra ny toetran' ny dite vokarina. Ny dite azo dia miavaka amin' ny alalan' ny lokony. Ohatra, ny dite tsy misy ôksiaa dia antsoina hoe dite maitso, ny dite misy ôksida dia antsoina hoe dite fotsy (ôksida ambany), ny dite oolong na dite manga (ôksida antonony) na ny dite mainty (ôksida feno), ary ny dite izay nandalo fanantsasahana dia antsoina hoe dite mavo (fanantsasahana maivana) na dite maizina (fanantsasahana maharitra ela).

Jereo koa

hanova