Diôsezin' i Morondava

(tonga teto avy amin'ny Diosezin'i Morondava)

Ny Diôsezin' i Morondava dia iray amin' ireo diôsezy roa amby roapolo ao amin' ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina eto Madagasikara, sady iray amin' ireo diôsezy telo ao amin' ny Arsidiôsezin' i Toliara.

Tany amin' ny taona 1910 hatramin' ny 1928 no nanombohan' ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tany Morondava. Pretra spiritanina avy any Mahajanga no nitsidika sy namangy ny faritr' i Maintirano, Morafenobe, Ambatomainty, Antsalova ary Ankavandra. Ry zareo misiônera Lasalety avy any Antsirabe kosa no niahy ny lemak' i Tsiribihina. Ry zareo Zezoita avy any Ambositra kosa no nitory tany amin' ny ilany atsimo: Malaimbandy sy Mahabo ary Morondava.

Pretra amerikanina ao amin' ny fikambanan' i Lasalety no tena niorim-ponenana nitory ny Evanjely tao Morondava nanomboka tamin' ny taona 1928. Tonga koa ry maseran' ny Providence tamin' ny taona 1935, niandraikitra sekoly.

Fanjanahantany moa tamin' izany fotoana izany ka tsy neken' ny mpanjanaka ny haha Prefet Apôstôlika ny pretra amerikanina, noho izany dia Frantsay no nampiandraiketina ny misiôna: Mgr Futy Joseph, ms (1938). Tamin' ny taona 1950, ny distrika tany avaratra toa an' i Maintirano sy i Morafenobe ary i Ambatomainty dia nampiraisina tamin' i Tsiroanomandidy. Tonga tany Morombe ny Misiôneran' ny Fianakaviana Masina tamin' ny taona 1950 ka lasa Diôsezy vaovao i Morombe miaraka amin' i Manja sy i Beroroha.

Tamin' ny taona 1952 ny zareo maseran' ny Misionnaires de l'Immaculée Conception (MIC) avy any Montréal (Kanada) no tonga nisolo ny Providence. Nohamasinina ho eveka i Mgr Girouard Paul (amerikanina) tamin' ny taona 1956, io no evekan' i Morondava voalohany. Ry zareo Amerikanina avy any amin' ny faritr' i St. Louis no nandray ny asa misiônera tany Menabe.

Tamin' ny taona 1964 dia nohamasinina ho eveka i Mgr Bernard Ratsimamotoana, izay eveka mpanampy. Niroborobo fatratra ny finoana katôlika tamin' izany. Efa tonga dimy ny fikambanan-drelijiozy niasa tany Morondava nanampy ny MIC: ny Franciscaines Missionnaires de Marie, ny Jeanne Delanoue, ny Immaculée Conception de Niort, ary ny Notre Dame de la Salette. Tonga koa ry zareo Frères du Sacré-Coeur nikarakara ny kôlejy St Paul tamin' ny taona 1967.

Ireto ny pretra mpanorina:

  • P. William Breault, ms (maty 1974)
  • Mgr Joseph Futy (1938-1946)
  • Mgr Etienne Garon, ms (1946-1954).

Ireto ny eveka nifandimby:

  • Mgr Paul-Jos. Girouard, ms (1955-1964)
  • Mgr Bernard Ratsimamotoana, ms (1964-1998)
  • Mgr Donald Leo Pelletier, ms (1999-2010)
  • Mgr Fabien Raharilamboniaina, carmes (2010-...)

Ankehitriny dia azo lazaina fa efa velona tsara ny finoana, misy ny pretra diôsezanina ary maro ny seminarista. Mikatroka amin' ny Aomôneria sy ny Distrika ireo pretra.

Loharano hanova

  • Annuaire-Atlas ECAR 2000 niampy ny fanadihadiana am-bava natao tamin' i Frère Coëvance sy Fr MIary Séraphin par Frère Tsiky Marcel.
  • Kianjam-pasika

Jereo koa hanova

Diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' i Toliara

Arsidiôsezy katôlika eto Madagasikara