Boky fahatelon' ny Mekabiana

(tonga teto avy amin'ny Boky fahatelon'ny Mekabiana)

Ny Boky fahatelon' ny Mekabiana dia boky ao amin' ny Baibolin'ny Fiangonana ortodoksa etiopiana. Deoterokanonika io boky io ao amin'io Baiboly io fa apokrifa izy ho an'ny Katolika sy ny Ortodoksa hafa ary pseodepigrafa ho an'ny Protestanta. Izy no fohy indrindra amin'ireo Bokin'ny Mekabiana satria misy toko 10 fotsiny.

Manomboka amin'izao teny izao ilay boky: "Ary ireo nosin'i Ejipta dia hihoby ...". Misy fitantarana ankapobeny momba famonjena sy famaizana ny ao amin'io boky io, izay ahitana ohatra avy amin'ny fiainan'ny patriarka samihafa ao amin'ny Baiboly, toa an'i Adama sy i Joba ary i Davida mpanjaka.

Ao amin'ny litorjian'ny Fiangonana ortodoksa etiopiana dia mitambatra ho boky iray ny Boky faharoa sy ny Boky fahatelon'ny Mekabiana.

Jereo koa: hanova