Boky amin' ny anaran' i Baroka

Ny boky amin' ny anaran' i Baroka dia bokim-pivavahana mifandray amin' ny fivavahana kristiana sy jiosy. Misy efatra izy ireo, dia

Ny Boky voalohan' i Baroka dia isan' ny boky deoterôkanônika ao amin' ny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa. Ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Baiboly prôtestanta dia manakilasy azy ho apôkrifa na pseodepigrafa. Ny Baiboly rehetra (na hebreo na kristiana) dia tsy ahitana ny boky sisa rehetra amin' ny anaran' i Baroka.

Ny Boky faharoan' i Baroka dia atao hoe koa Apokalipsy Siriakan' i Baroka. Ny Boky fahatelon' i Baroka dia atao hoe Apôkalipsy Grikan' i Baroka. Ny Boky fahefatr' i Baroka dia atao Paralipômenan' i Jeremia.

Jereo koa hanova