I Robert Denard, izay fantatra amin' ny anarana hoe Bob Denard, dia mpikarama an' ady frantsay, teraka tamin' ny 7 Avrily 1929 tao Bordeaux (Frantsa) sy maty tamin' ny 13 Oktobra 2007 tao Pontault-Combault tao Seine-et-Marne (Frantsa). Maro ny fanonganam-panjakana nahavoarohirohy azy sy nandraisany anjara taty Afrika, izay matetika nifanarahany tamin' ny governemanta frantsay, tamin' ny vanimpotoana nahazoana ny fahaleovantena tamin' ireo taompolo 1960 ka hatramin' ny taona 1995.

Bungalow-n' i Bob Denard eo amoron-dranomasina any Kômôro.