Bede the Venerable
Bede the Venerable | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Bede the Venerable | ||
Teraka | 1 Janoary 672 | ||
Maty | 26 Mey 735 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Fanjakana Mitambatra | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Bede the Venerable (amin' ny teny latina: Beda Venerabilis) dia moanina sy manam-pahaizana anglô-saksôna teraka tamin' ny taona 672 na 673 tany Northumbria ary maty tamin' ny 26 Mey 735. Ny asasorany malaza indrindra, ny Historia ecclesiastica gentis Anglorum (na amin' ny teny anglisy hoe Ecclesiastical History of the English People, "Tantaram-Piangonan' ny Vahoaka Anglisy") dia nahazoany ny anaram-bosotra hoe "Rain' ny Tantara Anglisy".
Mpahay teny sy mpandika teny koa izy, ary nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny fampivoarana ny kristianisma tany Angletera ny fandikana ny asasoratra grika sy latinan' ny Aban' ny Eglizy (na Rain' ny Fiangonana) tany am-boalohany. Tamin' ny taona 1899, i Bede dia nambaran' ny papa Leô XIII ho Mpampianatry ny Eglizy; izy no hany teratany avy any Britaina Lehibe nahazo voninahitra toy izany.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Ao amin'i Freebase: [1] Archived Novambra 19, 2015 at the Wayback Machine