I Leô XIII no evekan' i Rôma (papa) faha-256 ao amin’ ny Eglizy Katôlika, tamin' ny taona 1878 ka hatramin' ny taona 1903. Atao hoe Leo XIII izy amin' ny teny latina fa Leone XIII kosa amin' ny teny italiana. Ny tena anarany dia Vincenzo Gioacchino Raffaele Luigi Pecci. Teraka tamin' ny 2 Marsa 1810 tao Carpineto Romano izy ary maty tamin' ny 20 Jolay 1903 tao Rôma. Nalevina tao amin’ ny Bazilikan' i San Giovanni in Laterano, katedralin' i Rôma, izy.

Papa Leô XIII

Nanoratra Hira ho an' i Md Misely Arkanjely tamin' ny 1884 izy.

I Leô XIII dia malaza indrindra noho ny ensiklika Rerum novarum, navoaka tamin' ny taona 1891, ilay ensiklika voalohany natokana ho an' ny foto-pampianarana ara-tsôsialy ao amin' ny Eglizy Katôlika.