Base Toliara
Ny Base Toliara dia orinasam-pitrandrahana harena an-kibon' ny tany (fasi-mainty na ilmenita), nisolo ny Toliara Sands, nefa mbola tsy afaka miasa, ao amin' ny Faritra Antsimo-Andrefana, amin' ny alalan' ny tetikasa Ranobe. Nanorina ny tokony ho foibeny any amin' ny 50 km avaratry ny tananan' i Toliara ary 12 km miala ny ranomasina (Lakandranon' i Môzambika) ao amin' ny Alan' i Ranobe, ny Base Toliara. Nandova ny olana nosedrain' ny Toliara Sands (nanomboka tamin' ny taona 2018) io orinasa io, noho ny fisakanan' ny mponina ao amin' ny faritra manodidina ny toeram-pitrandrahana (indrindra fa ny foko Masikoro sy ny Mikea ary ny Vezo), izay tsy manaiky ny mety ho fahasimban' ny tontolo iainany sy ny kolontsainy ary ny asa fivelomany (fambolena sy fiompiana). Izany moa no antony naharava tanteraka ny tetikasa Toliara Sands taty aoriana, na ny anarany fotsiny, ka lasa ity tetikasam-pitrandrahana Base Toliara ity indray no nandimby azy. Kaominina telo ao amin' ny distrikan' i Toliara II no voakasika mivantana amin' ity fitrandrahana ity, dia Ankilimalinike sy i Tsianisiha ary i Maromiandra.
Mombamomba ilay orinasa
hanovaNy fitsanganany
hanovaTetikasa fitrandrahana harena an-kibon' ny tany izay mitrandraka fasika ahitana mineraly misy ilmenita sy zirkôna ary rotila ny tetikasa Ranobe, izay natomboky ny orinasa Toliara Sands. Tokony ho 50 km any avaratr' i Toliara, ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana eto Madagasikara no misy azy. Ity tetikasa ity dia nahazo fahazoan-dalana fikarohana voalohany tamin' ny taona 2001, sy fahazoan-dalana roa momba ny fitrandrahana tamin' ny taona 2012, ary fahazoan-dalana momba ny tontolo iainana tamin' ny taona 2015.
Faharetany
hanovaHaharitra 20 taona aloha ny tetikasa Ranobe, ary hitrandraka ny 30 % eo ho eo amin' ny loharanon-karena fototra, ka afaka miitatra hatramin' ny 60 taona ny faharetan' ny fitrandrahana. Ilmenita milanja 600 000 taonina, ary rotila sy zirkôna mianja 65 000 taonina no vinavinam-pamokarana isan-taona.
Fomba fiasa sy fotodrafitrasa
hanovaTsy hampiasa rano ny fomba fitrandrahana hampiasaina fa maina. Hokarakaraina ao amin' ny orinasa fanizinana voalohany ary avy eo ao amin' ny orinasa fanasarahana akora ny mineraly, tsy misy akora simika. Anisan' ny fotodrafitrasa lehibe ny lalana mirefy 55 km miala ny toeram-pitrandrahana sy miampita ny onin' i Fiherenana, ary koa ny serana-madinika vaovao hahafahan' ny sambo miantsona anaty rano manana halalina mihoatra ny 12 m any Andaboy (toerana misy tora-pasika amoron-dranomasina ao Toliara), hanondranana ny harena an-kibon' ny tany.
Tombontsoa mety haterany
hanovaHitondra fidiram-bola be ho an' i Madagasikara ity tetikasa ity, ary hanome tosika ara-tsôsialy sy ara-toekarena vaovao ho an' ny faritra iorenany. Vola mitentina 500 000 dôlara isan-taona no hatokana ho an' ny fandaharan' asa ho an' ny mponina any ifotony, rehefa mamokatra ilay toeram-pitrandrahana. Mandritra ny dingana fananganana, izay hampiasana ny maro indrindra amin' ny olona, dia hiteraka asa eo amin' ny 1 000 eo ho eo ity tetikasa ity, ary asa 150 no hiforona ao anatin' ny sehatry ny hetsika ara-tsôsialy sy ara-tontolo iainana.
Ny olana momba ilay orinasa
hanovaJereo koa
hanovaFanovozan-kevitra
hanova- "Projet minier - Des opposants à Base Toliara s'ouvre au dialogue", L'Express de Madagascar, 27/07/2022.
- "Grandes mines - Base Toliara et Kraoma SA, toujours dans l'impasse", L'Express de Madagascar, 04/01/2022.
- "Basa Toliata: Des natifs de Toliara font appel à l' Etat Archived Desambra 28, 2022 at the Wayback Machine", Madagascar Tribune, 24/09/2019.
- "A Propos - Base Toliara", Base Toliara.
- "Le Projet Base Toliara suspendu", Madagascar Tribune, 07/11/2019.
- "Projet d'exploitation d’ilménite : « Base Toliara » apporte des précisions", Business and Human Right Ressources Centre, 06/03/2019.
- "Projet minier - Base Toliara en mode séduction", La Vérité, 26/07/2022.
- "Good news for Base Resources’ Toliara project in Madagascar", Mining Revew Africa, 22/08/2022.
- "Base Toliara : le projet pourrait entrer en production, d’ici 2021", Trésor public malagasy, 26/03/2019.