Ny baranjely na bana dia karazana zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Solanaceae izay ambolena maneran-tany hahazoana ny voankazo azo hanina. Atao hoe Solanum melongena ny anarany ara-tsiansa. Ny voany, ilay miloko volomparasy matetika, dia ampiasaina amin' ny sakafo maromaro. Matetika ampiasaina ho legioma amin' ny fandrahoan-tsakafo.

Baranjely
Baranjely

Ny baranjely zavamaniry teratany any Azia izay nanomboka novolena tamin' ny andro talohan' ny tantara ary ahitana baranjely afrikana: Solanum aethiopicum L. (baranjely mangidy) na gilo, ary Solanum macrocarpon L., na gboma, ireo karazana baranjely telo ambolena.

Ny baranjely dia legioma voany ahitana betsaka fitambarana fenôlika sy alkalôida izay misy fiantraikany tsara amin' ny fampihenana ny hatavezan' ny tsinay sy ny kibo.

Jereo koa

hanova