Ny Bôrà na Bôhôra na Taiiby dia vondrom-piarahamonina mozilmana siita ao amin' ny sampana mostaliana naorin' i Abû al-Qâsim al-Tayyib (taonjato faha-12) izay anisan' ny silamo siita ismaily (na septimaniana). Ity sampan' ny Taiiby ity dia mifandray, eo amin' ny sehatra ara-pivavahana sy araka literatiora, amin' ireo kalifa-imaman' ny Fatimida ao Afrika Avaratra sy ao Ejipta. Antsoina hoe Daody (Dâ'ûdî) koa ny Bôrà (Bohra) ao amin' ny sampana Taiby, ary ao any Gujarat (India) sy ao Afrika Atsinanana izy ireo no mivondrona, ary iray tapitrisa eo ho eo ny fitambarany.

Ny teny hoe Bohra dia avy amin' ny teny gojaraty hoe vohorvu na vyavahar, izay midika hoe "mivarotra". Maro amin' izy ireo tokoa no mivelona amin' ny raharaham-barotra, izay sehatra iray tena ahombiazan' izy ireo amin' ny ankapobeny.

Ho an' ny Bôhôra dia i Abû al-Qâsim al-Tayyib no ilay imam miafina, saingy nankininy tamin' ny Dâ'i mutlaq (“misiônera tanteraka”) izay lohan' ny fiarahamonina bôhôra ny fahefany ara-panahy. Tamin' ny taona 2014 i Syedna Mufaddal Saifuddin Saheb no lasa Dâ'i fahatelo amby dimampolo tao amin' ny Bôra Daody.

Na izany aza, niaina fisamatsamahana maro ny vondrom-piarahamonina bôra, izay niteraka firehana samihafa: dia ny Jafary Bôra (Jafari Bohra), izay manaraka ny sekoly ara-dalàna Hanafi, ny Daody Bôra (Dawoodi Bohra), ny Solaimany Bôra (Sulaymani Bohra), ny Aliia Bôra (Aliyah Bohra) na Alaiy Bôra (Alayyi Bohra), ary ireo vondrona hafa tsy dia be mpahalala.

Jereo koa hanova