Ny ariary (MGA, Ar) dia sandam-bola miasa ao amin' ny Repoblikan' i Madagasikara, efa niasa tamin' ny andron' ny mpanjaka tamin' ny taonjato faha-19. Taorian' ny nampiasana ny Franc Malagasy (FMG) tamin' ny Repoblika voalohany, dia nampiasaina ny Ariary.

Vala taratasy

Ny reny hoe Ariary dia mety avy amin' ny teny arabo al rial izay avy amin' ny teny espaniôla hoe real.

Sandam-bola

hanova
Fivoaran'ny sandam-bola
Taona 1 franc frantsay 1 euro Marika
iraimbilanja ariary iraimbilanja ariary
1896 1 0,20 Fiantombohan' ny fanjanahantany. Miasa ny franc frantsay
1926 1 0,20 Famoronana ny banky foibe amin' ny taha 1:1
1946 0,59 0,12 Fametrahana ny franc CFA, 1CFA = 1,70FF
1948 0,50 0,10 Fampiakaran-tsanda ny franc CFA, 1CFA = 2FF
1959 50 10 Famoronana ny franc frantsay vaovao 1CFA = 0,02FF
1963 50 10 famoronana ny franc malagasy 1 FMG = 1 CFA
1974 50 10 Fialan' i Madagasikara amin' ny faritra CFA
1982 53 10,6 Fametrahana ny lelavola 2 000 Ar (10 000 FMG)
1984 66 13,20
1986 100 20
1987 180 36
1988 235 47
1992 360 72 Fametrahana ny lelavola 5 000 Ar (25 000 FMG)
1994 666 133
1996 715 143
1997 835 167
1998 910 182
1999 985 197 6460 1292 1 € = 6,55957 FF
2000 1000 200 6560 1312
2001 875 175 5740 1148
2002 900 180 5905 1181
2003 1025 205 6725 1345 Fametrahana ny lelavola 10 000 Ar
2004 15150 3030
2005 2553 Ny ariary ihany sisa no miasa
2010 2785
2014 3540
2015 3092
2016 3500
2017 3450 Fametrahana ny lelavola 20 000 Ar.
2018 3900
2020 4150

Tantara

hanova

Ny teny hoe ariary dia teny efa misy talohan' ny nahatongavan' ny mpanjana-tany teto Madagasikara. Nanomboka tamin' ny fanjanahantany, ny vola Franc no ampiasaina: frantsay tamin' ny 1896 hatramin' ny fahaleovantena, ary Franc malagasy tamin' ny 1860 hatramin' ny 2007.

Ny franc malagasy dia nifototra tamin' ny ariary, ny iraimbilanja (1 F) dia 1/5 ariary ary 5 F ny ariary iray. Ohatra, rehefa miteny 2 500 F, dimanjato (500) [ariary] no tenenina. Niverina nampiasaina indray anefa ny Franc Malagasy tamin' ny Repoblika fahatelo. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Marc Ravalomanana ny taona 2002, dia nanapa-kevitra ny hiverina amin' ny Ariary indray, ary tanteraka izany tamin' ny 2004, taona izay nanoloana sy nanontana ny vola taratasy vaovao ampiasaina ankehitriny.

Misy sanda fito (7) ankehitriny ny vola taratasy ampiasaina, dia ny 100 ariary, ny 200 ariary, ny 500 ariary, ny 1000 ariary, ny 2000 ariary, ny 5000 ariary ary ny 10000 ariary.

Miisa sivy (9) kosa ny vola vy: dia ny iraimbilanja (0,2 ariary), ny ventisikorobo (0,4 ariary), ny 1 ariary, ny ariary 2, ny ariary 4, ny ariary 5, ny ariary 10, ny 20 ariary, ary ny 50 ariary.

Nanomboka tamin' ny krizy nisy tamin' ny taona 2009 dia nihen-danja hatrany ny sandan' ny Ariary mitaha amin' ireo sandam-bola vahiny toy ny Euro sy Dôlara.

Jereo koa

hanova