Ny antiziônisma na antisiônisma dia fanoherana ny ziônisma na siônisma (hetsika nasiônalistan' ny vahoaka jiosy ao amin' ny Tanin' i Israely). Io teny io dia ampiasaina amin' ny toe-javatra samy hafa sy mba hamaritana hevitra ara-pôlitika samy hafa faritan' ny fankahalana izay mety hiantraika: amin' ny Fanjakan' i Israely, amin' ny famoronana azy, amin' ny maha jiosy ilay fanjakana, amin' ny fari-taniny, amin' ny fanapahan-kevitry ny vahoaka jiosy hisafidy ny karazam-pitondrana tiany hiainana, ny fiheverana ny hetsika ziônista na momba ny lohahevitra hafa toy ny satan' ny fari-tany palestiniana.

Fihetsiketsehana manohitra an' i Israely sy manohana an' i Gaza, mampitovy ny ziônisma amin' ny fanavakavahana ara-pirazanana, tao Washington, tamin' ny taona 2014

Nandritra ny tantara, ny antiziônisma dia ao anisan' ny zavatra heverina ao amin' ny fisainana ara-pôlitika jiosy, avy eo dia noraisin' ny nasiônalisma palestiniana any amin' ny Tontolo Arabo, noraisin' ny Firaisana Sôvietika ary vao haingana amin' ny lahateny manohitra ny Israeliana. Ny fifandraisana misy eo amin' ny antiziônisma (ny ideôlôjiany sy ny vokany) sy ny antisemitisma dia nodinihan' ny manam-pahaizana isan-karazany.

Na dia miseho amin' ny fomoba samihafa aza ny antiziônisma, ny mpanohana azy rehetra dia manaiky fa ny fananganana ny Fanjakan' i Israely ankehitriny, sy ny hetsika hamorona fanjakana jiosy mananana ny fiandrianany ao amin' ny faritr' i Palestina - ny Tanin' i Israely araka ny Baiboly - dia nisy lesoka na tsy ara-drariny amin' ny lafiny sasany.

Hatramin’ ny Ady Lehibe Faharoa dia niely patrana teo amin' ny Jiosy ny fanoherana ny ziônisma noho ny antony samihafa. Ny Jiosy ôrtôdôksa dia nanohitra ny ziônisma tamin' ny lafiny ara-pivavahana, satria misongona ny Mesia izany, raha ny Jiosy laîka kosa nahatsapa ho tsy mahazo aina amin' ny fiheverana fa ny maha vahoaka ny Jiosy dia ara-poko fotsiny. Nanomboka tamin' ny taompolo 1930 vao resy ny fanoherana ny ziônisma tany am-pielezana jiosy, satria niharatsy tanteraka ny toe-piainan' ny Jiosy tany Eorôpa ary tamin' ny Ady Lehibe Faharoa dia namely amin' ny fomba mahatsiravina ny hôlôkaosta. Taorian' izay, ny vondrona jiosy antiziônista amin' ny ankapobeny dia nirodana na niova ho fikambanana mpomba ny ziônista, na dia nisy vondrona madinika maro aza, mbamin' ny sampana toy ny American Council for Judaism ("Filankevitra Amerikana ho an' ny Jodaisma"), izay niaro ny fanao momba ny Fanavaozana teo aloha izay nandà ny ziônisma.

Ny antiziônisma tsy jiosy koa dia niely tamin' ny vondron' olon-tsotra sy ara-pivavahana, ka ny Arabo ao Palestina dia tena nanohitra ny fanesorana aminy ny tanindrazany amin' ny alalan' ny fanjanahantany. Ny fanoherana ny ziônisma dia niely ary mbola miely any amin' ny Tontolo Arabo, indrindra teo amin' ny Palestiniana.

Ny mpanohana ny ziônisma dia nanamarika ny fahombiazany tamin' ny fananganana ny Fanjakana jiosin' i Israely ao amin' ny faritr' i Palestina, ary mikatsaka ny hanehoana ny antiziônisma ho fanoherana lehibe an' i Israely sy ny fisian' ny Jiosy ao amin' ilay faritra. Ny mpanohana ny ziônisma dia matetika manasongadina fa ny antisemita sasany dia manana fomba fijery antiziônista. Ny fifandraisana misy eo amin' ny ziônisma sy ny antiziônisma ary ny antisemitisma dia iadian-kevitra, izay ahitana akademisiana sy fikambanana sasany mandalina ny antisemitisma izay mihevitra fa ny antiziônisma dia antisemitisma na antisemitisma vaovao, fa ny hafa kosa mandà ny fampifandraisana toy izany ka milaza fa izany fomba fijery izany dia tsy mitombina sady fomba iray hanakanana ny fanakianana an' i Israely sy ny pôlitikany, anisan' izany ny fibodoana an' i Jôrdania Andrefana.