Angôvo fosily
Ny angôvo fosily dia angôvo alaina avy amin' ny vato avy amin' ny fôsilizasiônan' ny zavamananaina: solitany sy etona natoraly ary arintany. Izy ireo dia zava-bitsy eto an-tany raha oharina amin' ny angôvo sasany azo havaozina toy ny rivotra, ny angôvo hidirôlika sns. Rehefa dorana ireo vato ireo, dia manome etona mampafana ny rivotra.
Fiforonana
hanovaNandritry ny vanim-potoana jeôlôjika, latsaky ny 1 % amin' ny zavamananaina (biômasy) monja no tototra any ambanin' ny tany; na nipetraka any amin' ny fanamban' ny farihy sy ny ranomasina. Nilentika any amban' ny tany izy ireo ary niova ho kerôzenina, ary avy eo lasa fandoro fôsily: solitany, etona natoraly na arintany.