Ny Fikambanan' ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina dia fikambanana iraisam-pirenena sampanan' ny Firenena Mikambana fantatra indrindra amin' ny fanafohezana ny anarany amin' ny teny angisy hoe UNESCO na Unesco, niorina tamin' ny 16 Nôvambra 1945 taorian' ny fanimbana sy ny fandringanana nitranga tamin' ny Ady Lehibe Faharoa.

Soratra famantarana ny UNESCO

Atao hoe Organisation des Nations unies pour l'éducation, la science et la culture (ONUESC) izy amin' ny teny frantsay, fa United Nations Educational, Scientific and Cultural Organization (UNESCO) kosa amin' ny teny anglisy.

Ny UNESCO dia mikendry ny handray anjara amin' ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana amin' ny fanamafisana amin' ny alalan' ny fanabeazana sy ny siansa ary ny kolontsaina, ny fiaraha-miasa eo amin' ny firenena rehetra, mba hiantohana ny fanajana ho an' ny olon-drehetra ny rariny, ny lalàna, ny zon' olombelona ary ny fahalalahana fototra ho an' ny daholobe, tsy misy fanavahana ara-pirazanana, araka ny maha lahy na maha vavy, na ara-piteny na ara-pivavahana, izay eken' ny Dinan' ny Firenena Mikambana ho an' ny vahoaka rehetra. Ny foiben' ny UNESCO dia ao Paris (Frantsa).

Jereo koa hanova