I Andriamandresy dia mpanjakan' i Menabe tamin' ny taonjato faha-16, zanakalahin' Andriamandazoala izy ary Andriamisara no rahalahiny. Izy roa ireo sy sy ny anabavin' izy ireo iray dia niampita ny reniranon' i Mangoky ka nahita ny Fanjakan' i Menabe.

Anisan' ireo mpanjakan' i Menabe folo amin' ny efatra ambin' ny folo tokavina amin' ny Fitampoha izy, araka izao filaharana izao: Tsiranto na Andriamisara - Rahiala na Andriamandresy - Andriamihaminarivo na Andriandahifotsy - Andriamahatindriarivo - Andrianilainarivo - Andriatahoranarivo - Andriamihoatrarivo - Andriamanetriarivo - Andriamamotroarivo - Andriatsihoenarivo na Kamamy (rain' ny printsesy Kamamy).