I Ameliôsy dia filôzôfa neôplatônisiana tamin' ny taonjato faha-3. Teraka tany Toscana (Italia) teo anelanelan' ny taona 216 sy 226 izy ary maty teo anelanelan' ny taona 290 sy 300. Tamin' ny taona 246 izy dia lasa mpianatr' i Plôtinôsy, izay nitoerany nandritra ny roapolo taona mahery, hatramin' ny taona 269. Nipetraka tany Apamea, any Siria ankehitriny, izy avy eo. Namorona asasoratra maromaro izay very izy.