Ny ahidrano na Algae dia zavamananaina afaka mana fôtôsintezy misy ôksizenina sady amin' ny ankapobeny dia ao anaty tontolo anaty rano ny tsingerim-piainany. Ampahany manan-danja amin' ny fahasamihafan' ny zavamananaina izy ireo ary fototra lehibe ao amin' ny rojon-tsakafo anaty ranomamy sy masirasira ary an-dranomasina. Karazana maro no ampiasaina amin' ny sakafon' olombelona sy ny amin' ny fambolena sy fiompiana ary amin' ny indostria.

Algôma

Tsy vondrona manaraka fivoarana tokana ny ahidrano, fa mampivondrona zavamananaina maro izay mety ho ao amin' ny vondrona filôjenetika tena samihafa. Raha ny marina, ny ahidrano dia matetika nofaritana amin' ny alalan' ny fampifanoherana azy ireo fotsiny amin' ny zavamaniry maro sela an-tanety na anaty rano.

Antsoina hoe fikôlôjia ny taranja siantifika andalinana ny ahidrano. Ampiasaina indraindray ny teny hoe algôlôjia, fa izy io koa dia manondro ny sampan' ny fitsaboana izay misahana ny fanaintainana.

Tombana maro molba ny isan' ny karazana ahidrano dia mahita isa 30 000 ka hatramin' ny iray tapitrisa mahery. Na dia eo aza ny tsy fahazoana antoka momba ny zavamananaina tokony hoheverina ho ahidrano dia nisy lisitra natao tamin' ny taona 2012, araka ny angon-drakitra AlgaeBase (izay misy fila 15 sy 64 kilasy saingy tsy miraharaha ny karazana Bacillariophyta miisa 200 000 eo ho eo, Microalgae misy silisy), dai mitanisa karazana ahidrano 72 500 samihafa.

Jereo koa

hanova