Abidy latina

(tonga teto avy amin'ny Abidy Latina)

Ny abidy latina na abidy romana dia abidy ahitana litera fototra miisa 26 sady afaka atao sora-baventy na sora-madinika. Litera ao amin'ny abidy latina no mamorona ny abidy malagasy amin'izao fotoana izao. Mampiasa io abidy io hanoratany ny fiteniny ny ao Eoropa Andrefana sy Eoropa Avaratra ary Eoropa Afovoany. Mampiasa azy koa ireo firenena ivelan'i Eoropa indrindra ireo firenena nozanahin'ny Eoropeana, isan'izany ny ao Amerika Avaratra sy Atsimo sy ny ao Afrika ary ny ao Oseania. Ireto avy ny litera fototra ao amin'ny abidy latina amin'ny endriny soramadinika: a - b - c - d - e - f - g - h - i - j - k - l - m - n - o - p - q - r - s - t - u - v - w - x - y - z. Tamin'ny taona 2002 dia ny 39%n'ny mponina maneran-tany no mampiasa ny abidy latina[1] [2].

Jereo koa hanova

Loharano: hanova

  1. Yoshiki Mikami, "Global digital-divide among scripts", VishwaBharat, no 7,‎ Oktobra 2002, p. 1
  2. Mikami Yoshiki et Shigeaki Kodama, "Mesurer la diversité linguistique sur le Web", dans Laurent Vannini et Hervé Le Crosnier, Net.lang : réussir le cyberespace multilingue, 2012, 125‒147 p.