Ny ôkoltisma dia ny fanao sy ny siansa miafina rehetra (alsimia, fanandroana, mazia, vinany, fitsaboana miafina) mifandraika amin' ny zava-miafin' ny zavaboary, amin' ny zavatra tsy hita. Ireo fanao ireo dia heverin' ny siansa ho "siansa sandoka". Sokajy ao amin' ny finoana sy ny fomba amam-panao esôterika na mihoatra ny natoraly izay amin' ny ankapobeny tsy tafiditra ao anatin' ny sehatry ny fivavahana voalamina sy ny siansa ny ôkoltisma, izay ahitana trangan-javatra misy mpisehara miafina, toy ny mazia sy ny mistisisma. Io teny io koa dia afaka manondro zavatra mihoatra ny natoraly toy ny fahatsapana ivelan' ny taovam-pandrenesana.