I Gilan dia iray amin' ny faritany iraika amby telopolo ao Iràna. Fantatra tamin' ny Andro Taloha ho anisan' i Hirkania (ao atsimo-atsinanan' ny Ranomasina Kaspiana, ao amin'ny tapany avaratra' i Iràna) izy io. Amin' ny teny persana izy dia atao hoe استان گیلان / Ostân-e Gilân) Ny isan' ny mponina ao aminy dia 2 tapitrisa eo ho eo ary 14 700 km² ny velarany. Any andrefan' i Mazandaran no misy an' i Gilan izay manamorona ny Ranomasina Kaspiana.

Faritanin' i Gilan
Kôntea ao amin' ny Fraritanin' i Gilan

Ny renivohiny dia i Rasht. Ny tanàna lehibe hafa ao amin' io faritany io dia i Astara, i Astaneh-ye Ashrafiyeh, i Rudsar, i Langarud, i Sowme'eh Sara, i Talesh, i Fuman, i Masuleh ary i Lahidjan. Ny seranan-tsambo lehibe ao amin' ilay faritany dia i Bandar-e Anzali (Bandar-e Pahlavi teo aloha).

Jereo koa hanova