Faritanin' i Teheran

Ny Faritanin' i Teheran dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Mirefy 18 909 km² izy ary ao avaratry ny lembalemba afovoan' i Iràna no misy azy. Ity faritany ity dia manana sisintany iraisana amin' ny Faritanin' i Mazandaran any avaratra, amin' ny Faritanin' i Qom any atsimo, sy amin' ny Faritanin' i Semnan any atsinanana ary amin' ny Faritanin' i Alborz any andrefana. Ny tanànan' i Teheran dia tsy renivohi-paritany ihany fa renivohitr' i Iràna ihany koa. Hatramin' ny Jona 2010 ity faritany ity dia manana departemanta miisa 11 sy kaominina miisa 37 ary vohitra miisa 1 358.

Faritanin' i Teheran

Nanjary nitombo lanja ilay faritany rehefa nambara ho renivohitry ny tarana-mpanjaka Kajara (Qajar) i Teheran tamin' ny taona 1778. Ankehitriny i Teheran dia anisan' ny kaominina 20 lehibe indrindra eran-tany amin' ny habeny sy ny mponina ao aminy.

Jereo koa hanova