Faritanin' i Khorasan-e-Shomali

Ny Faritanin' i Khorasan Avaratra na Faritanin' i Khorasan-e-Shomali dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna, ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Iràna. Ny renivohi-paritany dia ny tanànan' i Bojnord. I Khorasan Avaratra dia iray amin' ny faritany telo noforonina taorian' ny fizaràna ny Faritanin' i Khorasan tamin' ny taona 2004. I Khorasan no faritany lehibe indrindra tao Iràna mandra-pizarany ho faritany telo tamin' ny 29 Septambra 2004. Ny faritany nankatoavin' ny parlemanta iraniana (tamin' ny 18 Mey 2004) sy ny Filankevitry ny Mpiambina (tamin'ny 29 May 2004) dia ny Faritanin' i Razavi Khorasan sy Faritanin' i Khorasan Avaratra ary Faritanin' i Khorasan Atsimo.

Faritanin' i Khorasan-e-Shomali

Tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2006, ny isan' ny mponina dia 791 930 tamin' ny tokantrano 198 626. Ny fanisam-bahoaka manaraka tamin' ny taona 2011 dia nahitana mponina niisa 867 727 tao anatin' ny tokantrano 240 885. Tamin' ny taona 2014 dia nampidirina tao amin' ny Faritra faha-5 ity faritany ity. Tamin' ny fanisam-bahoaka farany indrindra tamin' ny taona 2016 dia nihena kely ny isan' ny mponina izay lasa 863 092 tao tamin' ny tokantrano 254 747.

Jereo koa hanova