Sora-tsikidy 16

Ny sora-tsikidy, ao amin' ny fisikidiana, dia ny endrika alain' ny tsanganan-tsikidy na andalan-tsikidy arakaraka ny filaharana sy ny isan' ny voan-tsikidy mamorona azy. Samy manana ny anarany ny sora-tsikidy tsirairay araka ny isa sy ny fipetraky ny voa ao aminy. Izany dia tsy miankina amin' ny toerana misy ilay tsanganana na andalana ao amin' ny fàfana.

Marika voalohany ampiasaina amin' ny fisikidiana, izay fanao efa tamin' ny Andro Taloha, ny sora-tsikidy 16. Misy andalana efatra maneho ny singa klasika ny sora-tsikidy tsirairay ary azo adika amin' ny fomba sy fanontaniana samihafa. Avy any Atsinanana Afovoany ny sikidy izay nampidirina tany Eorôpa tamin' ny Andro Antenatenany, izay nahazoany heviny ara-panandroana sy fandikana vaovao isan-karazany. Misy fitoviana ivelany amin' ny ba gua, izay lahatelo miisa valo ao amin' ny I Ching (lahatsoratra klasika sinoa), ireo sora-tsikidy ireo.

Manana anaran-toetra sy dikany miavaka ny sora-tsikidy tsirairay. Ny sora-tsikidy dia sokajina araka ny toetra ananany toy ny fahamarinan-toerana na ny fihetsiketsehana, ny tsy fitanilana na ny fiangarana, ary ny fidira na ny fivoahana. Manome fahasamihafana kely amin' ny fadikana ireo fanasokajiana ireo. Mifandray amin' ny "singa efatra" sy ny famantaran' ny zôdiaka, ny planeta ary ny fizaràn' ny vatana ireo sora-tsikidy ireo. Azo ampiarahina arakaraka ny toetrany izy ireo. Ny fifandraisana ara-panandroana misy eo amin' ireo sora-tsikidy ireo, izay nampidirina tao Eorôpa, dia vao mainka nampitombo ny heviny sy ny fifandraisan' izy samy izy. (tohiny...)