Ny Fahefana Avon’ ny Tetezamita (frantsay: Haute Autorité de Transition - HAT) dia rafitra mpanatanteraka vonjimaika tonga teo amin’ ny fitondrana teto Madagasikara taorian’ ny fanonganam-panjakana nanery an’ i Marc Ravalomanana handao ny firenena ny 17 Marsa 2009 vokatry ny fihetsiketsehana malagasy tamin' ny taona 2009. Nitarika izany i Andry Rajoelina, izay nanendry mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanana herinandro vitsivitsy talohan’ ny fanolorana ny fahefana mpanatanteraka avy amin-dRavalomanana ho an’ ny miaramila, izay nanome ny fahefana ho an’ ny Fahefana Avon’ ny Tetezamita. Tamin( ny voalohay dia nannjakan' ny Tanora Malagasy Vonona (TGV), ankolafy Rajoelina, ny Fahefana Avon’ ny Tetezamita (FAT).

Andry Rajoelina

Tamin' ny ny 17 Septambra 2011 no nosoniavin’ireo lehiben’ny mpanohitra izay tohanan’ny Southern African Development Community (SADC), ny "Sori-dalana amin’ny famaranana ny krizy eto Madagasikara". Ity fanapahan-kevitra ity dia mikendry ny hanangana governemanta marin-toerana indray, ary hampitsahatra ny krizy politika naharitra teto Madagasikara. Naverin'ny FAT imbetsaka ny fifidianana ankapobeny, izay natao tamin'ny 20 Desambra 2013, taorian'ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 25 Oktobra. Ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny volana Desambra dia fihodinana faharoa teo amin’i Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina, ireo kandidà roa voalohany nivoaka tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny volana Oktobra. Nambara tamin’ny 7 Janoary 2014 ny vokatra ofisialin’ny fihodinana faharoa ka nambaran-dRajaonarimampianina ho mpandresy tamin’ny vato efa ho 54%. Io fifidianana io no namarana ny FAT ary namerina ny fitondrana ara-dalàna teto Madagasikara. (tohiny...)