Vondrona ara-Toekarena sy ara-Bola Afrikana Tandrefana

Ny Vondrona ara Toekarena sy ara-Bola Afrikana Tandrefana dia fikambanana afrikana tandrefana noforonina tamin' ny 10 Janoary 1994 izay manan-tanjona ny hanatratra ny fampiraisana ara-toekarena ny firenena mpikambana, amin' ny alalan' ny fanamafisana ny fahafaha-mifaninana amin' ny hetsika ara-toekarena ao anatin' ny sehatry ny tsena misokatra sy anjakan' ny fifaninanana ary misy tontolo ara-dalàna voasaina sy mirindra.

Sarintany maneho ny firenena mpikambana ao amin' ny UEMOA

Atao hoe Union économique et monétaire ouest-africaine (UEMOA) izy amin' ny teny frantsay, fa West African Economic and Monetary Union ((WAEMU) kosa amin' ny teny anglisy.

Ny UEMOA dia ahitana firenena valo mpikambana: Benîno, Borkina Fasô, Ginea-Bisao (nanomboka tamin' ny 2 May 1997), Kôtidivoara, Maly, Nizera, Senegaly, ary Tôgô.