Vespasiano
Ankapobeny
Anarana Vespasiano
Teraka 17 Novambra 9
Maty 23 Jiona 79
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Roma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

I Vespasiano dia emperora rômana teraka tamin' ny 17 Nôvambra 9 tany akaikin' i Reate (Rieti, ao Italia ankehitriny) ary maty tamin' ny 23 Jona 79 tao Aquae Cutiliae. Izy no mpanorina ny tarana-mpanjaka Flaviano izay nanjaka teo amin' ny Empira Rômana tamin' ny taona 69 ka hatramin' ny 96. Nandimby azy i Titosy zanany lahy, avy eo i Dômitiano, taorian' ny nahafatesany. Amin' ny teny latina dia atao hoe Imperator Caesar Vespasianus Augustus izy.

Tao amin' ny tafika no niandohan' ny lazany: izy no lohandohany nandritra ny ady fakana an' i Britaina Lehibe tamin' ny taona 43 ary nifehy an' i Jodea (na Jodia) nandritra ny fikomiana jiosy tamin' ny taona 66.

Raha nanao fahirano an' i Jerosalema i Vespasiano, dia namono tena ny emperora Nerô ary nampiditra ny Empira Rômana tao anatin' ny ady an-trano. Nanambara an' i Vespasiano ho emperora ny tafika rômana tany Ejipta sy tany Jodea tamin' ny 1 Jolay 69. Nandresy an' i Viteliosy (Aulus Vitellius) i Vespasiano tamin' ny 20 Desambra 69, ary nohamafisin' ny Antenimieran-doholona ny fanendrena azy ny ampitson' iny.

Nanamarika ny fitondran' i Vespasiano ny fanavaozana ara-bola sy ny fanorenana lehibe nataony. Ny tetikasany malaza indrindra dia ny Colosseum, toeram-pijerena fampisehoana lehibe tsy nisy toy izany. Nanohy ny ady fankana an' i Britaina Lehbe koa i Vespasiano, tamin' ny alalan' i Agrikôla (Agricola), solom-panjakany. Taorian' ny nahafatesany tamin' ny taona 79, dia i Titosy (Titus) zanany lahimatoa no nandimby azy: i Vespasiano àry no emperora rômana voalohany nosoloana ny zanany ivelan' ny fanambadiana.

Ny fiainany manokana

hanova

I Titus Flavius Sabinus no rainy. Ny vadiny dia i Domitilla Zokiny. Ny zanany dia i Titus sy i Domitianus.

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.