Lavanila (maniry)

(tonga teto avy amin'ny Vanila (maniry))

Ny lavanila na vanila dia zavamaniry mandady, karazana vahy ôrkidea mandady amin' ny tohana na zavamaniry matanjaka kokoa noho izy, izay manana taho miendrika varingarina. Lehibe sady be nofo ny voniny nefa matroka. Amin’ ny faritra manana toetanim-jana-pehin-tany no anirian’ ny vanila. Ilay karazana atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Vanilla planifolia no tena fantatry ny olona noho izy ahazoana ny voany manitra.

Lavanila mandady amin' ny hazo

Karazana lavanila hanova

Maro karazana (zato mahery) ny lavanila nefa ilay karazana manana ravina miloko manopy maitso, atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Vanilla planifolia, no mamokatra ilay voa ampiasaina hahamanitra ny sakafo. Ny sasany misy ravina fa ny sasany tsy misy na tsy ampy ravina.

Faritra ambolena vanila hanova

 
Faritra eto amin 'izao tontolo izao ambolena ny lavanila

Amin’ ny faritra manana toetanim-jana-pehin-tany no anirian’ ny vanila. Vanilla planifolia ny anarany ara-tsiansa. Avy any Amerika Afovoany ny lavanila mamoa manitra, nefa ny firenena tena mamokatra azy dia i Madagasikara sy ireo nosy manodidina toa an’ i Kômôro sy La Réunion ary i Seisely. Mbola mamboly vanila ny olona any Meksika ankehitriny.

Fikarakarana ny vonin-davanila hanova

Ny fanisiana vovo-bony ny vavim-bony dia tsy mandeha ho azy fa mila an’ ilay bibikely izay tsy hita raha tsy any Amerika, ka noho izany dia tsy maintsy tanana no manatanteraka izany any amin’ ny tany tsy misy an’ io bibikely io.

Fikarakarana ny voan-davanila hanova

Ny voan’ ny lavanila izay mahatratra 15 sm hatramin’ ny 23 sm dia otazana mbola maitso avy eo hamainina mandra-pahamaintiny. Ny fanahazana no ahafahan’ ny zava-manitra ao anatiny hivoaka ka ho heno.

Jereo koa hanova