Ny vahoaka ao Oganda dia niisa 24 200 000 tamin' ny taona 2002. Niisa 31 400 000 izy ireo tamin' ny taona 2008 ary manana hakitroka 157,1 mp/km². Niisa 38 000 000 izy ireo tamin' ny taona 2016.

Mizara ho vondrom-poko ara-piteny sy ara-kolontsaina roa lehibe ny vahoakan' i Oganda. Ao ny Banto, izay mahatratra roa ampahatelon' ny mponina sy monina ao amin' ny tapany atsimo amin' i Oganda (ny Baganda, ny Baniankôle, ny Babiôrô ary ny Tôrô), sy ny Nilôtika izay monina ao avaratra (ny Akôly na Asôly, ny Karamônjônga ary ny Langô), ary ny mpitsoa-ponenana roandey sy sodaney ary kôngôley.

Jereo koa hanova