Vôlta Ambony (zanatany)

I Vôlta Ambony dia zanatany frantsay tao Afrika Andrefana Frantsay naorina tamin' ny 1 Marsa 1919 avy amin' ny fizaràn-tany maromaro namorona an' i Senegaly Ambony sy Nizera ary Kôtidivoara. Atao hoe Haute Volta izy amin' ny teny frantsay. Tamin' io taona 1919 io ihany koa no nananganana ny fitaleavam-paritr' i Afrika Andrefana Frantsay tao amin' ny Compagnie française pour le développement des fibres textiles (CFDFT), izay natokana handamina amin' ny fomba tsara kokoa ny fambolena landihazo, dia natsangana tao Bobo-Dioulasso.

I Vôlta Ambony na Haute Volta

Ny anarana hoe Haute Volta dia avy amin' ny anaran' ny ony Volta, ilay ony mamakivaky an' ilay faritra ny tapany ambony. Ny mponin' i Vôlta Ambony dia ny atao hoe Vôltaika (Voltaiques).

Rava ilay zanatany tamin' ny 5 Septambra 1932 ary ny ampahany tsirairay, i Sodàna Frantsay sy Nizera, dia notantanan' i Kôtidivora.

Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, tamin' ny 4 Septambra 1947, dia naverina tao anatin' ny sisintany voalohany i Vôlta Ambony ho lasa fizaràn-tany ampitan-dranomasina azy ao anatin' ny Union française. Tamin' ny 11 Desambra 1958 dia naorina indray ho repoblika mizaka tena amin' ny anaran' ny Repoblikan' i Vôlta Ambony (frantsay: République de Haute-Volta) ao anatin' ny Communauté française, ary nahazo fahaleovan-tena tanteraka tamin' ny 5 Aogositra 1960. Nandray ny anarana hoe Borkina Fasô (Burkina Faso) i Vôlta Ambony tamin' ny 4 Aogositra 1984.