I Titosy na Tito dia emperora anisan' ny fianakaviam-panjaka Flaviana, nanapaka teo anelanelan' ny taona 79 sy 81, izay teraka tamin' ny 30 Ôktôbra 39 ary maty tamin' ny 13 Septambra 81. Antsoina hoe Imperator Titus Caesar Vespasianus Augustus izy amin' ny teny latina. Mampalaza azy ny nanafihany sy nahazoany an' i Jerosalema tamin' ny taona 70. Mba hanamafisana izany fandreseny izany dia nampanamboatra ny "Andohalambon' i Titosy" i Domitiano rahalahiny rehefa lasa emperora koa tamin' ny nahafatesany.

Sarivongan' i Titosy

Nanompo teo ambany fitarihan' i Vespasiano rainy izy tamin' ny voalohany, ka nanjary fantatra amin' ny maha mpitari-tafika azy nandritra ny Ady voalohany nifanaovan' ny Jiosy sy ny Rômana. Nampiahiahy ny Rômana i Titosy, rehefa lasa emperora i Vespasiano, satria izy no prefe tao amin' ny mpiambina pretôriana, ary koa noho ny fifandraisany tamin' ny andriambavy Berenike avy any Jodea (zanakavavin' i Agripa I, mpanjaka farany tao Jodea). Tamin' ny taona 70 dia azony i Jerosalema izay norobain' ny miaramilany. Narahin' ny fandravany ny Tempoly faharoan' i Jerosalama ny fandreseny.

Andohalambon' i Titosy

Na dia teo aza ny fandikany imbetsaka ny lalam-pitondran-tenana rômana, dia nanjary nankasitrahin' ny olona bebe kokoa an' i Titosy taorian' ny nahafatesan' i Vespasiano tamin' ny taona 79. Na dia fohy aza ny fitondrany dia nisehoana loza maromaro. Vao tonga teo amin' ny fitondrana i Titosy dia tsy maintsy niatrika ny vokatry ny fipoahan' ny afotroa Vesovio, niavaka izy noho ny fahalalahan-tanany lehibe amin' ny niharam-boina. Niatrika afo nandrava an' i Rôma izy tamin' ny taona nanaraka, teo am-pahavitan' ny fanorenana ny Colosseum. Farany, ny tenany mihitsy no niditra an-tsehatra nanampy ny traboina amin' ny valanaretina pesta izay nahafaty olona an' arivony ao an-tanàna.

Noheverin' ny mpahay tantara fahiny ho emperora tsara izy. Maty tamin' ny 13 Septambra 81 izy ary nandimby azy i Dômitiano rahalahiny, izay nanorina ny Andohalambon' i Titosy tany Rôma ho fanomezam-boninahitra azy.

Jereo koa

hanova