Théodore Sindikubwabo

I Théodore Sindikubwabo dia olom-panjakana roandey efa solombavam-bahoaka, efa minisitra imbetsaka, nisahana ny asan'ny filohan'ny Repoblika tao amin'ny governemanta mpisolo toerana vonjimaika tao Roanda teo anelanelan'ny 9 Avrily sy 19 Jolay 1994 nandritra ilay famongoran-taranaka nahazo ny Totsy atao Roanda. Teraka tao Butare tamin'ny taona 1928 izy ary maty tokony tamin'ny taona 1998.

Fiaviany sy asa nataony hanova

Avy any amin'ny faritanin'i Butare (Faritany Atsimo ankehitriny) i Théodore Sindikubwabo. Mpitsabo nanana ny diplôma doktôrà izy. Minisitry ny fahasalamana tao amin'ny governemantan'ny filoha Grégoire Kayibanda. Taorian'ny fiakaran'i Juvénal Habyarimana teo amin'ny fitondrana dia nisahana ny fitsaboana ankizy tao amin'ny Centre hospitalier tao Kigali izy. Lasa solombavam-bahoaka izy taorian'izay.

Isan'ny tomponandraikitra tamin'ny fadringanana hanova

Raha vantany vao maty noho ny fidarabohan'ny fiaramanidina nitondra azy teo Kigali ny filoha Juvénal Habyarimana tamin'ny 6 Avrily 1994 ka nipoaka ny fifandripahan'ny Totsy sy ny Hoto tao Roanda, dia notendren'ny Komity notarihin'ny kôlônely Théoneste Bagosora (talen'ny kabinetra tao amin'ny ministera'ny Fiarovana) hisolo vonjimaika ny fioham-pirenena roandey i Sindikubwabo.

Tamin'ny 19 Avrily 1994 dia nanentana ireo mbola tsy nandray anjara tamin'ny famonoana ny Totsy izy ary nitey tamin'izy ireo mba hamela ireo izay efa manatanteraka izany. Tamin'ny 29 Avrily 1994 izy dia iverina tany Butare ka niteny tamin'ireo lehiben'ny Hoto mba hanara-maso ny Hoto hafa izay eo am-pamonoana ny Totsy. Tamin'ny 18 Mey 1994 izy dia nankany amin'ny prefektioran'i Kibuye ka nisaotra ny mponina tao noho ny asa soa vitan'izy ireo tamin'ny famonoana ny Totsy.

Fahafatesany hanova

Mety maty tamin'ny taona 1998 izy, tsy isy didim-pitsarana nanameloka azy. Ny fotoana sy ny toe-javatra nahafatesany dia tsy fantatra mazava. Misy ireo izay milaza fa mety matin'ny aretina sida izy na maty namono tena.

Jereo koa hanova

Ireo filoham-pirenena roandey: