Fiteny romaniana
(tonga teto avy amin'ny Teny romaniana)
Ny fiteny romaniana na fiteny romanianina dia teny ôfisialin' i Romania. Io fiteny io dia avy amin' ny teny latina (fiteny indô-eorôpeanina). Misy olona 24 tapitrisa no miteny romaniana, indrindra any Romania (limba română / 'limba ro'mɨnə/) sy any Môldavia (limba moldovenească / 'limba mol'doveněaskə/). Atao hoe limba română / 'limba ro'mɨnə/ na româneşte /ro'mɨneʃte/ izy amin' ny teny romaniana.
Avy amin' ny fiteny latina ny 80 % amin' ny voantenin' ny fiteny romaniana. Misy 60 na 300 eo ny voanteny avy amin' ny fiteny tirasy. Misy 10 na 15 % eo no avy amin' ny fiteny slava (rosiana, pôlôney sns.)