Teôlôjian' ny fanekem-pihavanana roa sosona

Ny teôlôjian' ny fanekem-pihavanana roa sosona, na ny teôlôjian' ny fanekem-pihavanana roa, dia foto-pampianarana ao amin' ny teôlôjia kristiana, ary indrindraindrindra ny an' ny Eglizy Katôlika, izay milaza fa tsy noravan' Andriamanitra velively ny fanekem-pihavanana nataony tamin' ny vahoakan' i Israely. Noho izany, ny fanekem-pihavanana ao amin' ny Testamenta Taloha dia mitoetra ho manan-kery raha ny amin' ny jodaisma: tsy misy antony tokony hiezahan' ny Kristiana hanova ny Jiosy ho amin' ny fivavahan' i Jesoa Kristy. Amin' ny lafiny eskatôlôjika, ny foto-pampianaran' ny fanekem-pihavanana roa dia midika fa ny Baiboly, izay sady jiosy no kristiana, dia manolotra lalana roa mankany amin' ny famonjena.

Jereo koa hanova