I Stefana na Md Etiena dia mpitory teny jiosy tamin'ny taonjato voalohany izay heverina taty aoriana fa diakôna na diakra voalohany sady martiry kristiana voalohany. I Stefana dia resahina ao amin'ny Asan'ny Apôstôly izay asa soratr'i Lioka izay boky fahadimy ao amin'ny Testamenta Vaovao. Toa an'i Filipo izay diakôna koa, i Stefana dia aseho ao amin'ilay fintantarana eo am-panombohan'ny toko fafa-6 ao amin'io boky io, ao amin'ilay fizaràna mitantara ny fananganana ireo fito lahy (Asa 6.1-7)[1]. I Stefana sy i Filipo no tena resahina ao amin'ireo toko telo manaraka. Isan'ireo mpianatra fitopolo lahy nofidin'i Jesoa koa i Stefana.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Koa amin' izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany. Fa izahay kosa haharitra amin' ny fivavahana sy ny fampianarana. Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an' i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, aryFilipo sy Prokoro sy Nikanora syTimona sy Parmena ary Nikoleo(proselyta avy any Antiokia)," (Asa 6.3-5).