I Sora dia toerana resahina imbetsaka ao amin' ny Baiboly hebreo. Atao hoe שור / Šūr izy amin' ny teny hebreo.

I James K. Hoffmeier dia mino fa ny "lalan' i Sora" dia teo amoron' i Wadi Tumilat — tany azo volena any atsinanan' ny Vinanin' i Nily, izay lalana fandalovana eo anelanelan' i Ejipta sy i Kanaana mamakivaky ny Saikinosin' i Sinay[1].

Rehefa nandositra an' i Saray (vadin' i Abrama, tompon' i Hagara) i Hagara, dia "nahita azy ny Anjelin' ny Tompo ... teo anilan' ny fantsakana amin' ny lalana mankany Sora" (Genesisy 16:7).

Voaresaka ao amin' ny 1Samoela 15:7 koa i Sora: "Ary i Saoly namono ny Amalekita hatrany Havila ka hatrany Sora, any atsinanan' i Ejipta". Araka ny Bokin' ny Eksôdôsy (Eks 15:22–23 ), dia any amin' ny "efitr' i Sora" no misy an' i Mara.

Milaza ny Easton's Bible Dictionary (1893) fa i Sora dia angamba ampahany amin' ny tany efitr' i Arabo, eo amin' ny sisin-tany avaratra-atsinanan' i Ejipta, izay manome ny anarany ny efitra iray manomboka any Ejipta ka hatrany Filistia (Gen. 16:7; 20:1; 25:18; Eks. 15:22).

Azo inoana fa ny fiantsoana azy dia avy amin' ny manda naorin' ny Ejipsiana, izay natao mba hiarovana ny sisin-taniny any avaratra-atsinanana tamin' ireo fokom-pirenena any an-tany efitra. Ity rindrina na tsipika mimanda ity dia avy any Pelosioma ka hatrany Heliôpôlisy.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. James K. Hoffmeier, "Major Geographical Issues in the Accounts of the Exodus". In Israel: Ancient Kingdom Or Late Invention? Daniel Isaac Block, ed. B&H Publishing Group, 2008 ISBN 0805446796