Sokatra an-dranomamy
Ny sokatra an-dranomamy na soka-dranomamy dia sokatra mandany ny androm-piainany ao anaty ranomamy na eny akaikin' ny rano. Amin' ny ankapobeny izy ireo dia manana akorany somary fisaka kokoa noho ny sokatra an-tanety ary mitapelaka kokoa ny tongony. Ampiasainy ho fivoy entiny milomano ny tongony, fa tsy toy ny sokatra an-tanety izay manana tongotra lehibe misy hoho. Mpihinana nofom-biby izy ireo raha mbola kely, ary amin' ny ankapobeny dia lasa tsy mifidy zavatra hohaninina rehefa eo amin' ny faha-2 taonany, nefa mihinana ahitra kosa ny sokatra an-tanety.
Tsy mitovy amin' ny soka-dranomasina ny soka-dranomamy izay tsy mandrafitra vondrona manana razambe iraisana mivantana.
Tsy misy afa-tsy sokatra iray ihany no sady miaina anaty ranomamy sady afaka miaina an-dranomasina ihany koa: ny Chelodina siebenrocki izay miditra any amin' ny ala honko.