Sintôisma

(tonga teto avy amin'ny Sintoisma)

Ny sintôisma na sintô dia fitambarana finoana sy fombafomba ary fanao niforona efa nisy tao amin' ny tantara tranain' i Japàna, izay indraindray azo heverina ho fivavahana. Fivavahana manafangaro singa avy amin' ny fivavahana pôliteista sy animista ny sintôisma. Io no fivavahana tranainy indrindra ao Japàna. Izy no fivavahana tranainy indrindra fantatra any Japàna izay mifamatotra amin' ny fedràny. Miisa any amin' ny 90 tapitrisa any ho any ny mpanaraka iry fivavahana ity. Tsy mampiely ny fivavahany ny sintô ka tsy miely amin' ny firenen-kafa izany fivavahana izany. Fivavahan-drazan' ny Japôney ny sintô.

Pretra sintô
Vavahady sintô

Avy amin' ny teny hoe 神道 / shintō, izay midika hoe "ny lalan' andriamanitra" ny teny hoe sintôisma.

Fivavahana tsy misy tenim-pinoana (dôgma) ny sintôisma ka misokatra amin' ireo fomban' ny fivavahana hafa ka nanakambana singa avy amin' ireo fivavahana ireo. Fahita amin' ny fiainana andavanandron' ny Japôney ny fampianarana sy ny fombafomba araka ny sintô. Tsy nisy mpanorina koa ny sintoisma, tsy tahaka an' ireo fivavahan-dehibe hafa eto amin' izao tontolo izao.

Jereo koa hanova