Fivavahana any Azia Atsinanana

Ny fivavahana any Azia Atsinanana izay atao hoe fivavahana taôika koa, dia sady fivavahana no filôzôfia, izay ahitana ny taôisma sy ny kônfosianisma ary ireo fivavaham-bahoaka maro isan-karazany.

Fanompoam-pivavahana ao amin' ny Tempoly Lehiben' i Shennong-Yandi any Suizhou, Hube, any Sina.

Taôisma hanova

Ny taôisma dia iray amin' ireo andry telon' ny filôzôfia sinoa (ny roa hafa dia ny kôfosianisma sy ny bodisma), izay miorina amin' ny fisian' ny foto-javatra niavian' ny zava-drehetra atao hoe "Taô". Ny taôisma dia atao hoe dàojiào, izay midika hoe "fampianarana ny lalana") amin' ny teny sinoa. Avy amin' ny kolontsaina sinoa tranainy no misy ny fototry ny taôisma, izay miorina amin-dahatsoratra, ka isan' izany ny Tao Tö King nosoratan' i Lao Tseu, ny Lie Tseu sy ny Zhuāngzǐ nosoratan' i Tchouang Tseu. Miseho amin' ny alalan' ny fanao izay nisy akony teo amin' ny fiainan' ny mponina any Atsinanana Indrindra, eny fa na hatrany Andrefana koa aza tamin' ny taonjato faha-20 izany fivavahana sy filôzôfia izany.

Kônfosianisma hanova

Ny kônfosianisma dia iray amin' ireo sekoly ara-pilôzôfia sy ara-pitondrantena sy ara-pôlitika ary ara-pivavahana ao Sina. Nivoatra nandritra ny taonarivo roa izy nanomboka tamin' ny asasoratr' ilay filôzôfa atao amin' ny teny sinoa hoe Kongfuzi (551-479 tal. J.K.) izay fantatra amin' ny anarana hoe Kônfosiosy (551-479 tal. J.K.). Atao hoe Rújiā (izay midika hoe "sekolin' ny manam-pahaizana" avy eo Rúxué (izay midika hoe "fampianaran' ny manam-pahaizana") ny kôfosianisma amin' ny teny sinoa.

Sintôisma hanova

Ny sintôisma dia fitambarana finoana izay efa nisy tao amin' ny tantara tranain' i Japàna, izay indraindray azo heverina ho fivavahana. Manafangaro singa avy amin' ny fivavahana pôliteista sy animista ny sintôisma. Io no fivavahana tranainy indrindra ao Japàna. Miisa any amin'ny 90 000 000 any ho any ny mpanaraka ny sintoisma ao Japàna.

Fivavaham-bahoaka any Azia Atsinanana hanova

Maro koa ireo fivavahana nentim-paharazana na fivavaham-bahoaka any Azia Atsinanana ka isan' izany ny fivavahan-drazan' ny Sinoa, ny an' ny Kôreana, ny an' ny Vietnamiana, ny an' ny Japôney, sy ny hafa koa.

Jereo koa hanova