Ny silamo aty Afrika dia niorina voalohany tao amin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika sy tao amin' ny tapany avaratr' ity kôntinenta ity, ary tamin' ny morony avaratry ny faritra atsimon' i Saharà. Manjaka manerana an' i Afrika Avaratra ny silamo, ary saika manjaka tokana ao Afrika Andrefana, ao amin' ny ampahan' i Afrika Afovoany (any Tsady) ary ahitana Mozilmàna vitsy ny aty Afrika tapany Atsimo. Ny 45 % amin' ny vahoaka afrikana dia Mozilmana, izany hoe 1/3 amin' ny Mozilmana maneran-tany. Tsy ranoray ny fitsinjaràn' ity fivavahana ity eo amin' ny kôntinenta afrikana: any Afrika Avaratra no ahitana ny 98 % amin' ny Mozilmana, nefa manodidina ny 30 % izany aty Afrika atsimon' i Saharà. Sonita ny ankamaroan' ny Mozilmana aty Afrika. Ao Tanzania sy ao Nizerià no ahitana Siita vitsy anisa.

Môskea ao Abuja (Nizeria)

Jereo koa hanova