Silamo ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

fivavahana any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo

Ny silamo ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia tonga tao amin' io firenena io tamin' ny taona 1860, izay nentin' ireo mpivarotra vangin' elefanta sy mpivarotra andevo avy any Afrika Atsinanana. Vitsy anisa ny Mizolmana, izay laharana faharoa aorian' ny Kristiana, raha ny isan' ny mpino no heverina. Tsy fantatra marina ny isan' izy ireo: ny Pew Research Center dia manambara fa 1,5 %n' ny mponina ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô izany, nefa ny World Factbook an' ny CIA (Etazonia) dia milaza fa 10↓% izany. Ny 50 % amin' izy ireo dia Sonita fa ny 10 % kosa Siita ary ny 15 % dia Ahmady.

Jereo koa hanova