Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia tonga tao amin' ity firenena ity tamin' ny taona 1986 ary nitombo haingana, na dia vitsy anisa. Tamin' ny taona 1986 no nahazo fankatoavana noho ny fangatahana nataon' ireo mpikambana izay avy nandranto fianarana tany Soisa sy Belzika ity fiangonana ity. Heverina ho nisy mpino miisa 42 689 ny tao amin' io fiangonana io tao amin' ny kôngregasiona miisa 145. Tamin' ny taona 2011 dia nanambara ny hanamboatra ny tempoly kôngôley voalohany ao Kinshasa. Tamin' ny taona 2019 dia nisy mpikambana miisa 68 871 ao amin' ny kôngregasiona miisa 211 ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (RDK) ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany, ka mahatonga an' io fiangonana ao amin' ny RDK io ho laharana fahatelo manerana an' i Afrika, aorian' i Nizeria sy i Gana. Ankehitriny dia ny fiangonana ao RDK amin' ny no laharana faha-16 maneran-tany amin' ny fitombony 13 % isan-taona.

Jereo koa hanova