Bahaisma ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny bahaisma ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia niorina ao amin' io firenena io taorian' ny taratasy nosoratan' i `Abdu'l-Bahá izay namporisika ny hitondrana io fivavahana io aty Afrika tamin' ny taona 1916. Ny Bahay niorim-ponenana voalohany tao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (RDK) dia avy any Oganda tamin' ny taona 1953. Nisy fiangonana ara-panahy bahay an-toerana ao amin' io firenena io dia voafidy tamin' ny taona 1957. Nisy fiangonana miisa 143 ny tao amin' ny RDK. Na dia noroahina aza io fivavahana io ary na nisy ny ady izay nandrotika ny RDK dia nitombo ilay fivavahana ka tamin' ny taona 2003 dia nisy fiangonana miisa 541 voaorina. Araka ny tombana nataon' ny Association of Religion Data Archives dia ny bahaisma ao amin' ny RDK no laharana fahadimy manera-tany amin' ny isan' ny mpino (283 000) tamin' ny taona 2010.

Ny kintana bahay

Jereo koa hanova