Siisman' ny roa ambin' ny folo

Ny siisman' ny roa ambin' ny folo dia manondro ny vondrona siita izay mino ny fisian' ny imam roa ambin' ny folo. Ity dôgma ity dia niforona tamin' ny taona 874-940, tao anatin' ny rafitry ny fanafenana ny imam faharoa ambin' ny folo. Nifanohitra tamin' ny Golata (ghulat) indrindra ny silamo siistan' ny roambin' ny folo taorian' izay, ny fitaoman' ny motazilisma. Rehefa nandeha ny fotoana, ny siisma dia niova avy amin' ny foto-pisainana ara-pôlitika ho amin' ny firehan-kevitra mahery vaika. Atao hoe اثنا عشرية / Ithnā'ashariyya amin' ny teny arabo.

Izy ireo no maro anisa ao Azerbaijàna, ao Bareina, ao Iràna, ao Iràka, ary mandrafitra ny ampahatelon' ny mponina ao Libanona. Ny siisman' ny roa ambin' ny folo no firehana ôfisialy ao Iràna hatramin' ny nananganan' i Ismail I ny tarana-mpanjaka safavida tamin' ny taona 1501. Ny ankamaroan' ny Siitan' ny roa ambin' ny folo dia manaraka ny jafarisma. Ny Siitan' ny roa ambin' ny folo hafa dia Golata (Ghulāt), Alaoita (ʿAlawīy), Alevy (‘Alawīyyah) na Kizilbasa (Qezelbāsh).

83 074 37