I Shimon Peres dia mpanao pôlitika israeliana izay praiminisitra fahavalo tao Israely hatramin' ny 1984 ka hatramin' ny 1986 sy hatramin' ny 1995 ka hatramin' ny 1996 ary filohan' i Israely fahasivy hatramin' ny 2007 ka hatramin' ny 2014. Teraka tamin' ny 2 Aogositra 1923 tao Wiszniew (any Pôlônina tamin' izany fotoana izany, any Belarosia amin' izao fotoana izao) ary Szymon Perski ny anarany tamin' izay, ary maty tamin' ny 28 Septambra 2016 tao Ramat Gan (Israely) izy. Amin' ny teny hebreo ny hoe Shimon Peres dia soratana hoe שמעון פרס, fa amin' ny teny arabo kosa dia شمعون بيرس.

I Shimon Peres tamin' ny taona 2009.

Taorian' ny asa diplômatika izay nanomboka taorian' ny Ady ho an' ny fahaleovantena israeliana, dia lasa tompon' andraikitra ambony nanompo tao amin' ny governemanta israeliana izy tamin' ny fiandraiketany ny maha ho tale lefitra, avy eo dia tale jeneralin' ny minisiteran' ny fiarovana teo anelanelan' ny taona 1953 sy 1959. Taorian' io vanim-potoana io, dia nanomboka ny fanaovany pôlitika izay nitohy naharitra ela.

Mpikambana tao amin' ny antoko Mifleget Poalei Eretz Yisrael (na Mapai, "Antokon' ny Mpiasan' ny Tanin' i Israely"), tao amin' ny antoko Reshimat Poalei Yisrael (na Rafi, "Lisitry ny mpiasan' i Isiraely"), tao amin' ny antoko HaMa'arakh ("Fanitsiana") tao amin' ny antoko Mifleget HaAvoda HaYisraelit ("Antokon' ny Mpiasa Israeliana") ary tao amin' ny antoko Kadima ("Mandrosoa") izy. Izy dia minisitra tao amin' ny governemanta roa ambin' ny folo, izay nahatonga azy ho ny ela indrindra tsy nisy toa azy. Nitana ny toeran' ny praiminisitra intelo izy (tamin' ny 1977 vonjimaika, hatramin' ny 1984 ka hatramin' ny 1986, hatramin' ny 1995 ka hatramin' ny 1996). Nohajaina tany ivelany i Shimon Peres, nahazo ny loka Nobel ho an' ny fandriam-pahalemana niaraka amin' i Yasser Arafat sy i Yitzhak Rabin izy tamin' ny taona 1994 noho ny fandraisany anjara tamin' ny fifampiresahana momba ny fandriam-pahalemana tamin' ny Palestiniana izay nitarika ho amin' ny Fifanarahana tao Oslo.

Lasa mpikambana tao amin' ny Kadima, antoko naorin' i Ariel Sharon, izy, ary voafidy ho filohan' ny Fanjakan' i Israely taorian' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2007, ka izy no filohan' ny governemanta taloha voalohany lasa filoham-panjakana teo amin' ny tantaran' i Israely; nanao fianianana izy tamin' ny 15 jolay 2007. Tamin' ny fiafaran' ny fe-potoam-piasana fito taona, tamin' ny 24 jolay 2014, dia namarana ny fanaovany pôlitika teo amin' ny faha-91 taonany izy.

Taorian' ny nahafatesan' i Ariel Sarona dia i Simon Peres no sisa velona tamin' ireo taranaka nanorina ny Fanjakan' i Israely.