Ny Schinus dia vondron-karazana hazo sy hazo madinika lava mamony, ao amin' ny fianakaviana Anacardiaceae. Ny karazana ao amin' io vondrna io dia fantatra amin' ny anarana hoe hazo dipoavatra. Loharano ahazoana zava-manitra ny dipoavatra peroviana (Schinus Molle). Teratany any Amerika Atsimo sy any Amerika Afovoany ny karazana rehetra ao amin' ny Schinus, manomboka any Però sy any amin' ny ilany avaratra-atsinanan' i Brezila ka hatrany amin' ny ilany atsimon' i Amerika Atsimo. Lasa zavamaniry manafika ivelan' ny toeram-ponenany voajanahary ny karazana sasany (anisan' izany ny Schinus terebinthifolia). Mety ho ahi-dratsy any amin' ny faritra manana hamandoana antonony ny Schinus polygama, na dia tsy dia fantatra loatra aza.

Schinus terebinthifolius