I Sariela dia anjely avy amin' ny lovantsofina jiosy indrindra. Amin' ny teny hebreo sy arameana izy dia atao hoe שָׂרִיאֵל / Śārīʾēl ("Andriamanitra no mpitondra ahy"); amin' ny teny grika dia Σαριηλ / Sariēl; ary amin' ny teny kôpta dia ⲥⲟⲩⲣⲓⲏⲗ / Souriēl; amin' ny teny amharika: ሰራቁያል / Säraquyael na ሰረቃኤል / Säräqael. Amin' ny lovantsofina hafa dia anarany koa ny hoe Soriela (Suriel na Suriyel, ao amin' ny lahatsoratra sasany ao amin' ny Horonam-bokin' ny Ranomasina Maty), Seriela (Seriel), Saoriela (Sauriel), Sarakaela (Saraqael), Sarakiela (Sarakiel), Soroela (Suruel), Sorofela (Surufel), ary Sôoriela (Souriel). Voalaza ao amin' ny 1Henôka (20:6) fa "iray amin' ny anjely masina izay voatendry ho mpanapaka ny zanak' olombalona izay manota" izy. Nolazain' i Ôrigenesy fa i Soriela dia iray amin' ny anjely fito izay heverin' ny Ôfita ho hery voalohany. Ao amin' ny gnôstisisma, i Sariela dia voantso noho ny heriny miaro. Tsarovana izy ao amin' ny tetiandron' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta amin' ny 27 Tobi ao amin' ny tetiandro kôpta.

Tsy tokony hafangaro izy amin' ilay anjely mpitily lavo atao hoe Sahariela (hebreo sy arameana: שַׂהֲרִיאֵל / Śahărīʾēl, "Andriamanitra no volanako") izay mitondra anarana mitovy aminy. Ao amin' ny 1Henôka (8:8) dia voalaza fa nampianatra ny olona ny lalan' ny Volana izy.